Vaovao mikasika fihaonana 2010

Publié le par LeJeuneAdulte

Faly miarahaba antsika tsirairay indray.

Misaotra an’Andriamanitra fa vita soa aman-tsara ny fivoriana nataon’ny komity ny amin’ny fanomanana ny fihaonana manaraka ny 24 octobre 2009 lasa teo.
Araka izany dia zavatra efatra (4) no tena nojerena tamin’izany: Ny daty sy toerana hanaovana ny fihaonana, ny zavatra hatao, ny lohahevitra hodinihana.

Araka ny nifanampahantsika farany dia handeha lavitra (Toliary) isika @ ity fotoana manaraka ity. Rehefa tena nodinihana anefa dia tena lafo. Ny frais fotsiny dia eo amin’ny 140 000 ariary eo ho eo miaraka @ sakafo an-dalana ny olona iray, manampy io dia mbola hisy ny saran-dasy sy ny hofan-trano sns … any an-toerana. Manampy izany rehetra izany ny krizy izay miseho eto @ firenena.

Noraisina ho fahendrena ny hanaovana ny fihaonana manaraka ao Antsirabe ao @ Betty ihany aloha, tao @ ilay nanaovana ny fihaonana voalohany teo iny ihany.


Ny momba ny daty kosa dia misy roa no noeritreretina : 4 andro no faharetany

. 29 - 30 avril sy 01 - 02 mai 2010
. 26 au 29 août 2010

Ka ny momba io indrindra no iandrasana ny hevitry ny tsirairay. Isika tsirairay dia iangaviana indrindra mba handefa ny daty izay mety amintsika @ ireo naroso ireo.
Marihina fa ny valin-tenitsika ny @ io daty io dia alefa alohan’ny 30 novembre 2009 izao. Aorian’io dia izay maro an’isa @ izay valin-teny voaray eo no zaraina amitsika tsirairay ary hapetraka hanaovana ny fihaonana manaraka.

- Ny atao amin’io kosa dia noheverina fa hatao manana endrika lasy ihany aloha. Noraisina kosa anefa ny fanamarihana nomen’ny tsirairay niainga avy t@ ilay fihaonana voalohany teo iny ka ezahina hamboarina araka ireny ny fandaharam-potoana: Fampianarana, hira, Animation, Sortie, Soirée, Atelier, Echange sns …

- Ny lohahevitra hodinihina dia natolotra an’i Pst RAKOTO sy Pst RAJO izay soso-kevitra avy @ tsirairay ka izy ireo no handinika akaiky izay ho aroso ka hampahafantariny antsika @ manaraka izay tapaka.

Marihina fa ny 'groupe'-tsika io dia 'groupe autonome' ary najanona ho “ Jeunes adultes anciens d’Ambohimena” ihany aloha ka @ fotoana izay hihaonana dia hasiana fotoana hiarahantsika mijery miaraka ny toerana haleha manaraka sy ny daty hanaovana azy, sy ny hoe iza sy iza avy no ho antsoina ho ao raha tiantsika hovelarina @ hafa ilay fiarahana mba ho fanapahan-kevitritsika rehetra no entina ao.

Rehefa voaray ny valin-tenitsika ny @ daty daty dia hiroso miandalana ny @ fandaminana isika.

Dia manentana antsika tsirairay samy hitondra am-bavaka izay rehetra izay sy ny mbola fanomanana rehetra atao.

Izay indray ary aloha fa dia mametraka ny mandra-pihaona indray.

Lala 

Publié dans Vaovao

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article