Temoignage 001

Publié le par LeJeuneAdulte

Faly miarahaba antsika tsirairay avy izahay mivady.

Izao indray vo afaka manoratra fa izay vao vacances ny orinasa.

Tianay mivady ny mizara aminareo ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra izay asehony eo @ fiainanay mikasika ny Salamo 20 izay nodinihantsika tany @ lasy voalohany iny.

03.jpg

“Hanome anao araka ny fonao anie Izy, ary hahatanteraka  ny fisainanao rehetra.”

“…..Hotanterahan’I Jehovah anie ny angatahanao rehetra.”

SALAMO 20:4-5

Vita mariage izahay mivady ny mois de mai 2007 dia nifanaiky fa tsy hiteraka aloha herintaona, dia napetraka t@ Andriamanitra izany. Nony tapitra ny taona voalohany dia nieritreritra ny hanan-janaka aminizay. Nandeha ny 3 mois, tsy nisy, niandry ihany 6 mois, tsy nisy, 9 mois, tsy nisy, nitsingerina ny roa taona nivadinay tamin’iny mois de mai nanaovantsika lasy iny, tsy nisy. Efa somary kivikivy ihany sady manontany tena hoe ahoana ary izany. Fa izao anefa, tamin’ny fotoana nianarantsika ny Salamo 20, dia naverimberina tao an-tsaina io tenin’Andriamanitra io,  sady nivavaka mafy hoe, “ fantatrao ry Tompo ny irinay fa  mba te hanan-janaka izahay , araka io teninao io dia hanome anay izay irinay Ianao.”

Tsy nampoizinay akory ny namilan’Andriamanitra io vavaka io, ary tena nasehony taminay miharihary fa rehefa miteny izy dia MANATANTERAKA. Raha sitrapon’Andriamanitra dia tonga amin’ny mois de février 2010 io zazakely io;

Zaraina amintsika izany amin’izao krismasy sy fiatrehana ny taona vaovao izao, mba ho fampaherezana sy ho firariantsoa ho antsika. Angamba ianao koa manana zavatra irina eo @ fiainanao, MATOKIA, fa Andriamanitra tsy mba mandainga. Rehefa miteny izy , dia MANATANTERAKA.

Izay ary aloha no azo nozaraina tamintsika , ary mirary fety tsara be ho antsika rehetra . Fety tsara be satria mana-toky isika fa eo akaikintsika Andriamanitra ary mijery ny fiainantsika isan’andro isan’andro.

02

Publié dans Vaovao

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
D

Alleloia zany de tongava soa ny vahiny. Moa lahy sa vavy sa tsa fantatra fa atao surprizy.

Répondre
L

Tena tsara ny Andriamanitritsika. Ary tsy tara fa @ fotoany tsara ho anareo no nanomezany azy
Miara-paly aminareo koa za!

Répondre