INVITATION LASY

Publié le par LeJeuneAdulte

 

Faly miarahaba antsika tsirairay indray.


Araka ny efa fantatsika dia amin’ny 26 ka hatramin’ny 29 août 2010 izao ny fihaonana faharoa ho an’ny jeunes adultes teo Ambohimena izany hoe 4 andro.


Koa manasa antsika izay ho avy ary mba hameno ny fisoratana anarana izay ampiarahina amin’ity mail ity ka hamerina azy alohan’ny 31 JUILLET 2010 mba ahafahana manana ny isantsika izay ho avy sady ho fanampiana ireo mpikarakara amin’ny fanomanana izay mbola hatao.

 

Participation:

Ny fandraisana anjara dia Ariary 52 000 (260 000 Fmg) isan’olona : Ariary 13 000/andro/olona.

Ho an’ny ankizy 4 taona no mikatra dia mandoa 2/3 ny participation.

Ny 3 taona no midina izany dia tsy mandoa sarany.           

 

 

CONSIGNES :

  

  

 

. Ny fiaingana dia ny 26 août 2010 amin’ny 8H00 eo amin’ny séminaire.

Anisan’ny tsapa tamin’ny fihaonana farany ny somary enjikenjika be tamin’ny fotoana noho ny antony fahatarana tamin’ny fanombohana izay niteraka ny fihemoran’ny fandaharam-potoana rehetra.

Koa miangavy antsika rehetra mba samy hiezaka hanatratra ny ora izay napetraka ho fanombohana.

Marihina fa ny fahatratrarantsika ny fanombohana  no mampiditra antsika ao anatin’ny ambiance sy ahazoantsika ny philosophie n’ny fotoana mandritra ny fiarahana.

Tena tsara araka izany raha tonga aty Antsirabe ny alarobia mialohan'io

 

 

. Ny fitaovana izay ho ampiasaina dia anaovana antso amintsika izay manana ka afaka mampindrana amin’io fotoana io.

Ny mbola ilaina dia : guitare, micro, flute, aponga, valiha, korintsana, sns… ( ny clavier efa misy)

Ka izay manana dia milaza mialoha ahafantarana ny mbola ho tadiavina.

 

. Izay manana hira hampianarina na tiana ho hiraina amin’io fotoana io dia mandefa mialoha ny tonon-kira amin’i Laza (loolaza @ yahoo.com) (esory ny espace rehefa andefa mail) mba ahafahana manomana mialoha ny projection.

 

. Samy manomana miaraka isika : lalao sns … Izay manana zavatra hatao miaraka dia manatona an’i Joh sy Laza ahafahana mandamina ny fotoana.

 

 

 

 

Mangataka antsika  hanome valiny mba hanampy amin’ny fandaminana rehetra.

Tena mahafinaritra ny hihaona indray e.

 

 

Misaotra antsika rehetra.

Dia mandra-pihaona indray.

 

LALA

Publié dans Vaovao

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article