Nahoana no Kaleba

Kaleba, dia isan'ireo mpisafotany nirahan'i Mosesy hijery taratra ny tany Kanana raha mbola tany Kadesy ny Zanak'Israely.

Tsy mba isan'ireo olona kivy noho ny fahitany ny tany izy rehefa niverina avy nisafo ny tany, fa namporisika aza ny handroso araka ny tenin'Andriamanitra (Nomery 13:6; Nom 14: 7- 10 ).
Ary dia tsy mba maty tany an-efitra tahaka ireo namany izy sy Josoa( Nom 14 sy nom 26).

Rehefa tonga tany amin'ny tany Kanana izireo dia tsaroany sy nampahatsiahiviny ny tenin'i Jehovah ny amin'ny ahazoany zara-tany (Josoa 14 : 10-14).Ary na dia efa 85 taona aza izy dia mbola niady ka nahazo ny tanana mimanda izay nisy 'goliata' 3 lahy (Josoa 15: 13-14; Mpitsar 1: 20)

Raha fintinina izany dia lehilahy natoky an'Andriamanitra izy ary nahatsiaro izay fampanantenana nataon'Andrimanitra taminy. Nanana faharetana izy, sahy niroso hatrany, ary dia nahazo nysoa avy tamin'Andriamanitra rehefa 'antitra'
Azo hakana aingam-panahy ho antsika izany tantara marina izay ry 'jeunes adultes'!

Laza Raharison

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :