Fampianarana 123 mai 2009


JEUNES ADULTES ANTSIRABE
Lasy  1-2-3 mai 2009

 
FAMPIDIARANA

Ny antsoina hoe Jeunes Adultes dia ireo izay : 
- Tsy tanora be itsony nefa mbola ao anatin’ny hery (ara-batana) ihany
- Ny ampahany betsaka amin’ny fiainany dia mbola any aorina
- Efa nahita fiainana ihany anefa : efa mahafantatra ny olona (ohatra hoe ny olona misy tena tsy azo itokisana…),
mahafantatra fisehoan-javatra samihafa (ohatra hoe izany fitiavana izany dia …fa tsy….), efa niharan-javatra samihafa (tratry ny tsy fahombiazana, voadona,..).
Koa vokatr’ireo dia mety ho lasa miraviravy tanana, kivy fa efa hoe izany izany no fiainana. Na koa, raha tsy mitadrina dia lasa masiaka (cynique), na be fitapitaka noho ny zavatra ratsy efa niainana (fitiavana, teo amin’ny fiangonana..).
 
 Dieny izao dia tokony hianatra ny ho antitra (apprendre à viellir) raha izany, tena hianarana izany ‘ho antitra’ izany raha tsy izany dia ho raharaha be izany hoe antitra kirina, masika …izany.(Danger 1)
 
(Danger 2) Mety ho nahomby, nalaza tamin’ny lafiny maro ohatra mahay, mahalala zavatra, noho izany dia mihevitra ny hafa ho ambany. Lasa mafana fo be amin’ny fitadiavana vola, laza.. Mafana fo amin’ny asa sns. Dia manjary ‘déséquilibré’ ny fiainana : tsy misy toerana intsony ho an’ny hafa (fianakaviana, havana, namana ..,) ary indrindra ny ho  an’Andriamanitra .
 
Ny anton’ity fotoana ity dia mipetraka kely manontany tena hoe ho aiza moa aho, ho aiza no itondrana ny fiainana.
Ny tokony ho izy : hampiasaina amin’ny tokony ho izy ilay tombotsoantsika izao , sady ‘jeunes’ no ‘adultes’.
 
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :