Présentation

Hafatra nipetraka farany

Recherche

Tenin'Andriamanitra

 

Hanefa ny irin'izay matahotra Azy Izy 
Salamo 145 : 19 
Mercredi 3 novembre 2010 3 03 /11 /Nov /2010 14:41

Mbola faly ihany aho miarahaba antsika izay mandalo eto amin'ny blog.

Ny vaovao azoko ambara dia 2

1- Efa nivoaka ny Clip Chorale Ankadifotsy voalohany 

2-hisy fanavaozana sy fomba fiasa vaovao ity blog ity, izay hisian'ny fandraisantsika anjara. Holazaina eto sy amin'ny mail ny ho fandehany. Ezahana atao alohan'ny faran'ny taona

Izay aloha fa mahereza daholo amin'ny fanompoana sy ny asa e!

Laza

Par LeJeuneAdulte
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Mercredi 8 septembre 2010 3 08 /09 /Sep /2010 17:03

Misaotra an'Andriamanitra fa vita ny lasy aout 2010 natao tany Antsirabe.

Misaotra an'ireo izay nanoina ny antso.

Misaotra izay rehetra nikarakara indrindra ireo izay tany an-toerana, fa akaiky vilany feno arina toko ianareo.

Maro ny soa azo avy tamin'iny lasy iny, ny faniriana dia samy mba hitantara izay mba azony tany, eto amin'ny blog, mba hahafinaritra ny resaka eto.

Manantena antsika rehetra mandalo eto mba hametraka commentaire àry

Misaotra 

Laza

Par LeJeuneAdulte - Publié dans : Vaovao
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Vendredi 23 juillet 2010 5 23 /07 /Juil /2010 13:07

Bonjour daholo e!

Mbola resaka lasy ihany fa fanamafisana ihany :

Fotoana : jeu 26 -  dim 29 août 2010

Toerana : Betty, Mandaniresaka ANTSIRABE

Lohahevitra : Jesoa Kristy, ny antony anarahako azy...

Fisoratana anarana : any amin'i Lala, 31 juillet 2010 no farany

Tsy mitondra : couvert, couverture, kidoro 

Misy any : Ny namana taloha mahafinaritra na dia mangatsiaka be aza any, misy rano mafana hisasana, toerana ilalaovana malalaka, efitra afaka mitokana ny fianakaviana,  . . .

Vola ilaina : 260 000 fmg/olona ny 4 andro, ny zaza 3 taona no midina tsy mandoa, ny zaza 4 taona no mikatra dia mandoa 2/3= 173 335 fmg (tsara be sady betsaka ny sakafo + goûter an!)

Mbola ilaina : guitare, instrument de musique hafa,

Hira : ny hira faneva tamin'ny taona lasa = De mon Seigneur/ Exo dia mbola haverina + raha misy hira tianao mba hiraina na tianao hianarana dia ilazao aho (Laza, 033 11 515 66, 034 11 515 66, loolaza @ yahoo.com), 

Tsarovy fa afaka manome sosokevitra foana isika na amin'ny lafiny hira na lalao na izay hahatsara ny lasintsika any.

Tongava maro fa ny fampianarana ho azo ary ny fiarahana hafinaritra ihany koa

Aza adinoina!    Tsara tonga ny alarobia isika fa tena tsy tsara ny hoe alakamisy maraina vao tonga tara=sady manakorontana ny hafa ianao no tsy 'tafiditra' intsony amin'ny fiarahana rehetra avy eo !

Laza


Par LeJeuneAdulte
Ecrire un commentaire - Voir les 1 commentaires
Vendredi 25 juin 2010 5 25 /06 /Juin /2010 11:21

 

Faly miarahaba antsika tsirairay indray.


Araka ny efa fantatsika dia amin’ny 26 ka hatramin’ny 29 août 2010 izao ny fihaonana faharoa ho an’ny jeunes adultes teo Ambohimena izany hoe 4 andro.


Koa manasa antsika izay ho avy ary mba hameno ny fisoratana anarana izay ampiarahina amin’ity mail ity ka hamerina azy alohan’ny 31 JUILLET 2010 mba ahafahana manana ny isantsika izay ho avy sady ho fanampiana ireo mpikarakara amin’ny fanomanana izay mbola hatao.

 

Participation:

Ny fandraisana anjara dia Ariary 52 000 (260 000 Fmg) isan’olona : Ariary 13 000/andro/olona.

Ho an’ny ankizy 4 taona no mikatra dia mandoa 2/3 ny participation.

Ny 3 taona no midina izany dia tsy mandoa sarany.           

 

 

CONSIGNES :

  

  

 

. Ny fiaingana dia ny 26 août 2010 amin’ny 8H00 eo amin’ny séminaire.

Anisan’ny tsapa tamin’ny fihaonana farany ny somary enjikenjika be tamin’ny fotoana noho ny antony fahatarana tamin’ny fanombohana izay niteraka ny fihemoran’ny fandaharam-potoana rehetra.

Koa miangavy antsika rehetra mba samy hiezaka hanatratra ny ora izay napetraka ho fanombohana.

Marihina fa ny fahatratrarantsika ny fanombohana  no mampiditra antsika ao anatin’ny ambiance sy ahazoantsika ny philosophie n’ny fotoana mandritra ny fiarahana.

Tena tsara araka izany raha tonga aty Antsirabe ny alarobia mialohan'io

 

 

. Ny fitaovana izay ho ampiasaina dia anaovana antso amintsika izay manana ka afaka mampindrana amin’io fotoana io.

Ny mbola ilaina dia : guitare, micro, flute, aponga, valiha, korintsana, sns… ( ny clavier efa misy)

Ka izay manana dia milaza mialoha ahafantarana ny mbola ho tadiavina.

 

. Izay manana hira hampianarina na tiana ho hiraina amin’io fotoana io dia mandefa mialoha ny tonon-kira amin’i Laza (loolaza @ yahoo.com) (esory ny espace rehefa andefa mail) mba ahafahana manomana mialoha ny projection.

 

. Samy manomana miaraka isika : lalao sns … Izay manana zavatra hatao miaraka dia manatona an’i Joh sy Laza ahafahana mandamina ny fotoana.

 

 

 

 

Mangataka antsika  hanome valiny mba hanampy amin’ny fandaminana rehetra.

Tena mahafinaritra ny hihaona indray e.

 

 

Misaotra antsika rehetra.

Dia mandra-pihaona indray.

 

LALA

Par LeJeuneAdulte - Publié dans : Vaovao
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
Jeudi 10 juin 2010 4 10 /06 /Juin /2010 16:13

Arahabaina indray isika rehetra.

Ela be izay tsy nisy vaovao ô? Ny vaovao misy fa .... tsy hita e!

FIHAONANA TAONA 2010

Ny vaovao lehibe aloha dia ny hoe tapaka fa hatao ny  ...

26 au 29 août 2010 izao ...

ny fihaonantsika amn'ity taona ity

Ny toerana dia any ANTSIRABE- Betty ihany

Hivory ireo mpanomana amin'ny sabotsy 19 juin izao ka raha misy manana sosokevitra dia manorata.

 

VAOVAO TAPATAPANY

* Ny henoko dia hoe tera-dahy i Ando Corine .

* Ry Henikaja sy Vazoly mikasa ny hianatra 3 taona any amin'ny Seminera

*I Koly va nahavita ny soutenance de mémoire DEA tamin'ny talata 8 juin teo, sady efa ho teraka atohoato koa ! Fahasoavana daholo izany an !!!

*I Laurentine mikasa ny mba ho avy amin'ny fihaonana manaraka any Antsirabe, 'somary' vizana ihany niasa be nandritra ny 1 taona izay ! Mahereza e!

*Efa nitsangana ny JEUNES ADULTES Antsirabe ka mivory regulièrement (isaka ny inona moa, tapabolana sô ...)

*Nandray anjara tamin'ny lalao fanatanjaha-tena  nataon'ny tanora teto antananarivo ny maro taminay JAA jereo ao amin'ny  http://batistamalagasy.wordpress.com/ sy http://batistankadifotsy.wordpress.com/ ny sary sy ny fandehany rehetra

      Ireo misy santionany sary, iza àry ireo ?  :

100_0685.jpg100 0732

 

Dia izay aloha no masaka androany fa afaka mba manoratra commentaire ihany ianareo mba ampahery anay handefa vaovao àry!

Laza



Par LeJeuneAdulte - Publié dans : Vaovao
Ecrire un commentaire - Voir les 0 commentaires
 
Créer un blog gratuit sur over-blog.com - Contact - C.G.U. - Rémunération en droits d'auteur - Signaler un abus